Malgaches en Indonesie
ce blog rassemble les malgaches qui vivent ou etudient en Indonesie afin de montrer ce que nous vivons et ce que nous faisons en Indonesie.Apprecier et aimer.
Malgaches en Indonesie
samedi 27 août 2011
lundi 4 juillet 2011
dimanche 3 juillet 2011
vendredi 1 juillet 2011
mardi 28 juin 2011
Tatitra fihaonambe 25-26juin 2011 tany Malang
,vita soa amantsara ny fihaonamben'ny Malagasy aty Indonesie izay natao tany malang ny 25 sy 26 juin lasa teo.Nanomboka ny 25 ariva ny fihaonambe rehefa avy nanao tana-maro tamin'ny fikarakarana sakafo sy decoration ny rehetra,nandritra io 25 alina io dia nisy feu de camp narahina fiaraha misakafo ary notohizana tamin'ny dihy sy hira-hira ny lanonana.Tsara ny manamarika fa 26 ny isan'ny mpikambana tonga tamin'io fihaonana io. Ny 26 juin kosa indray dia nanomboka tamin'ny 9 ora maraina ka ny fikarakarana no tena nibaha-toerana ny tapak'andro maraina;tamin'ny 12:30 no noredonina ny hirampirenena malagasy ho mariky ny fitiavan-tanindrazana sy ny fitsingerenan'ny hafaleovantena malagasy ary noarahina sakafo malagasy izany sy fifampirariantsoa. Tao ahorian'izany ny tolak'andro dia natao ny fivoriana hanatsarana ny fikambanana,nandritra izany fivoriana izany dia tafatsangana ny fikambanan'ny Malagasy voalohany aty Indonesie ary tafatsangana tamin'izany ny birao vonjy maika hitantana ity fikambanana ity ka voafidy ho filoha tamin'izany Atoa Razafimaharo Serge Michel(surabaya) ny filoha mpanampy dia Atoa Monjy Minomahasetra(Jember)ny mpitam-bola dia Mtoa Ramiaramanana Ravoarimefa(Bandung) ny mpitan-tsoratra dia Atoa Velontony Adrien Diny. Vonjy maika ihany io birao io ary 6 mois no fotoana ihasan'izy ireo ary ao ahorian'izay hatsangana ny status sy ny birao raikitra ho an'ny fikambanana. Manaraka izany, raha nikasa ny hanatrika io fihaonambe io i bapak Taufik Rigo dia tsy afaka tamin'ny ora farany noho ny antony tsy miankina aminy tsy adinony anefa ny niantso ary nirary soa ho an'ny malagasy rehetra aty indonesie sy niarahaba nahatratra ny tsingerintaonan'ny fahaleovantena.Koa satria tsy afaka nanatrika ilay fivoriana i bapak Taufik dia nohasainy ho hiaona aminy any Jakarta ireo mpikambana ao amin'ny birao mba hitondra ny tatitra sy ny hetahetan'ny fikambanana.Izay raha fintinina ny fihaonamben'ny Malagasy aty Indonesie izay natao tany Malang koa misaotra betsaka an'ireo izay nanatrika ary koa ireo izay tsy afaka nakany nefa nirary soa,hisaorana ihany koa ireo media izay mampita izany vaovao izany any Madagasikara. Manantena ny hiaona amintsika rehetra indray amin'ny fihaonana manaraka.Misaotra tompoko.
samedi 18 juin 2011
Herinandro sisa dia tonga ilay fotoana manan-danja.
51 taona @ herinandro ny niverenan'ny fahaleovanten'ny firenena Malagasy,ary ho ankalazain'ny malagasy rehetra maneran-tany anisan'izany ny malagasy aty Indonesie.
A une semaine avant la 51eme anniverssaire du retour de l'indepandence de Madagascar, un evenement qui va etre celebrer par tout les malgaches dans le monde entier y compris les malgaches en Indonesie.
One week before the 51st Anniversary of the return of Madagascar indepandence , an event which will be celebrated by all Malagasy worldwide including Malagasy Indonesia.
A une semaine avant la 51eme anniverssaire du retour de l'indepandence de Madagascar, un evenement qui va etre celebrer par tout les malgaches dans le monde entier y compris les malgaches en Indonesie.
One week before the 51st Anniversary of the return of Madagascar indepandence , an event which will be celebrated by all Malagasy worldwide including Malagasy Indonesia.
jeudi 16 juin 2011
Inscription à :
Articles (Atom)